ActualitésTsidika

Fambolena : Nahazo masomboly sy zezika ireo tantsaha ao Sabotsy Namehana

Nisy ny fizarana masomboly sy zezika ary fitaovana ho an’ireo tantsaha ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana. Nampisehoana nandritra izany ihany koa ireo fitaovana ho enti-manetsa mba hanosehana hatrany ireo tantsaha hamokatra be.

« Mitohy hatrany ny ezaka mba hampaleo tena ara-tsakafo antsika eto Madagasikara amin’ny alalan’ny famokarana vary, izay tafiditra ao anatin’ny velirano faha-9 » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fambolena sy Fiompiana. « Mila zavatra tahaka izao mihitsy ny tantsaha. Tsy ny fizarana vary mihitsy no vahaolana fa ny fanosehana ny tantsaha hamokatra be » hoy i Fanja, mponina ao Sabotsy Namehana. « Manana tombony lehibe tokoa isika eto Sabotsy Namehana amin’izao tolotra izao. Tokony hahay hanararotra ny mponina ary hiezaka hatrany amin’ny famokarana » hoy ny solontenan’ny kaominina Sabotsy Namehana.

Tsy vahaolana maharitra tokoa ny fizarana vary ho an’ny tantsaha. Tsara ny famporisihana sy ny fanohanana azy ireo hamokatra be hatrany mba ahatrarana ny tanjona. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire