ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana : Nahazo dabilio ny EPP roa

Nahazo dabilio miisa 54 ho an’ny EPP roa tao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana, Antsahatsiresy sy Ambatofotsy. Ny fikambanana avy ao amin’ny vehivavy « Avotraina » no nanao izao fanomezana izao.

« Tsapanay fa tena mihafy ireo zaza ieo rehefa mianatra noho tsy fahampian’ny dabilio. Tsy afaka ny hijerijery fotsiny ny olana mianjady amin’ny fanabeazana tahaka izany izahay raha mba misy azo atao ihany » hoy ny mpitarika ity fikambanam-behivavy manampy ny mpiara-belona ity. « Iaraha-misitraka tokoa ny vokatra raha misosa tsara ny fanabeazana. Zanaka iaraha-manana tokoa ireo ary manampy izay afaka manampy » hoy ireo mpanabe ao amin’ireo sekoly ireo. « Ankasitrahana ny tahaka izao mba hampandrosoana hatrany ny tanànantsika. Tsy maintsy mandroso i Sabotsy Namehana raha samy miara-mientana makany amin’ny fahombiazana isika rehetra » hoy ny avy ao amin’ny Kaominina.

Mila tosika tokoa ny fanabeazana eto amintsika. Tsara raha samy mandray andraikitra ny rehetra araka izay vitany avy. Mbola lavitra mantsy ny lalana raha hiandry ny fanjakana foana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire