ActualitésTsidika

Fizahantany : Hampiroboroboina amin’ny alalan’ny fahaiza-mahandro Malagasy

Maro ireo ezaka efa natao hampiroboroboana ny fizahantany eto Madagasikara. Ity fizahantany ity izay fanoitra ho amin’ny fampandrosoana ka ahafahana mampiakatra indray indray ny tahan’ny ekonomia eto an-toerana. Ny asa atao amin’ity tetikasam-panjakana ity dia ny ahafahana mampandroso ny fomba fikarakarana sakafo eto Madagasikara hisarihana mpizaha tany vaovao. Nifampiresahana izany nandritra ny lanonana fanolorana mari-pankasitrahana ireo mpahandro sakafo notarihin’i Chef Lalaina Ravelomanana atamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena amin’ny fahandroana sakafo.

« Ireo vokatra sy karazana sakafo mampalaza an’ny Madagasikara dia efa mahasarika mpizaha tany. Ao ireo tsiron-tsakafo sy karazana sakafo maro izay hahafahana mamoaka sakafo miavaka ao anatin’izany. Hatramin’izay dia ny natiora hatrany no voaresaka kanefa mbola manana tombony hafa isika ary anisan’izany ny sakafo », hoy ny Minisitry ny Fizahan-tany nandritra ny fitsenana ireo mpandray anjara tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena amin’ny fahandroana sakafo farany teo.

« Ahafahana manatanteraka soa aman-tsara izany tanjona izany dia hisy ny tetik’asa hampahafantarana ireo sakafo Malagasy sy ny fahaiza-manaon’ny mpahandro Malagasy ary hatao iraisam-pirenena izany hetsika izany. Vonona izahay sy ny ekipako hanatanteraka izany adidy izany satria mbola tombontsoa ho antsika rehetra hatrany izany », hoy i Chef Lalaina Ravelomanana nandritra ny fitsenana azy ireo sy fanolorana ny mari-pankasitrahana.

Raha tsiahivina dia teo amin’ny laharana faahefatra isika eto Madagasikara nandritra ny fifaninana iraisam-pirenena amin’ny fahaiza-mahandro izay notanterahina ny volana janoary teo. Izany no midika fa manan-karena sakafo isika ; manan-karena manam-pahaizana amin’ny tontolon’ny fandrahona sakafo ihany koa. Tontolo roa samihafa afaka miara-miasa hatrany ny sakafo sy ny fizahantany ka tsara ny mitrandaraka izany ho tombontsoan’ny maro. Zary ho lasa fananana iombonana izany fahaizana izany ka samy hahay sy hanaja izany avokoa.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire