ActualitésTatitra

La Réunion : Nihena ny vidin’ny gazole raha nitombo kosa ny an’ny sans plomb

Niova ny vidin’ny solika ao La Réunion nanomboka omaly 1 febroary. Nihena 1 centime isaky ny litatra ny vidin’ny gazole ao an-toerana raha nitombo 4 centime isaky ny litatra kosa ny an’ny super sans plomb. Ny tavoahangin’entona fadrehitra kosa dia misitraka ny fanohanan’ny vondrom-piarahamonina ka nijanona 15 Euros ihany.

Nanamafy ny prefektora fa manoloana ny fipoahana sy ny firehetan’ny toeram-pamokarana iray ao Chine dia tsy maintsy nitodika tamin’ny mpamatsy hafa ao Asie ny mpanafatra eran’izao tontolo izao. Manoloana izany niakatra ny fidin’ny sans plomb. Anisany miasa amin’io fiakarana io ihany koa ny fiakaran’ny sandan’ny dollars manoloana ny euro izay mahatratra +1,56%.

Laisser un commentaire