ActualitésTatitra

La Réunion : Tovolahy roa no nahazo ny medaly varahana tamin’ny fiadiana tompon-dakan’i Europe amin’ny Jiu-jistsu brésilien

Mponin’i La Réunion roa antsoina hoe Law Ping Man Laurent sy Rochecouste Sacha no nitondra nody ny medaly varahana tamin’ny fiadiana tompon-dakan’i Europe ny Jiu-jistsu brésilien izay notontosaina ny 23 hatramin’ny 29 janoary teo tao Paris.

Tafiditra tao amin’ny telo voalohan’ny « ceinture noire » latsaky ny 57 taona i Law Ping Man Laurent. Raraka teo amin’ny manasa-dalana izy rehefa nifanehatra tamin’i Verdemare Andréa izay tena sangany ary mpandresy ny sokajy. Marihana fa efa tompon-daka eran-tany sy tompon-dakan’i Europe im-betsaka i Verdemare Andréa.

Fahatelo tamin’ny sokajy « ceinture bleue juvénile 1 » kosa i Rochecouste Sacha. Teo amin’ny manasa-dalana ihany koa izy no raraka manoloana ny tompon-dakan’i France. I Rochecouste Sacha kosa no teratanin’i La Réunion voalohany nitondra medaly avy ao Europe nody teo amin’io sokajiny io.

Laisser un commentaire