Etats-Unis : Fiaramanidina miaramila an’i Canada sy France no nifandoana tao Guam
Fiaramanidina miaramila CC-150 an’i Canada sy fiaramanidina A400M an’i France no nifandoana tao Guam, faritanin’i Etats-Unis ny herinandro lasa teo. Raha ny tatitry ny ministeran’ny tafika tao France dia ilay fiaramanidina CC-150 an’ny Royal Canadian Air Force no nandona ilay fiaramanidina A400M an’ny Air et de l’Espace française izay nipetraka an-tanety ary mijanona teo amin’ny toeram-piantsonan’ny Andersen Air Force Base.
Nanamafy io fifandonana io ny ministeran’ny fiarovam-pirenen’i Canada. Tsy nisy ny aina nahafoy nandritra saingy ny fiaramanidina no nahitam-pahasimbana raha ny fanamafisany. Marihana fa nitatitra miaramila avy nanao fanazaran-tena Mobility Guardian ilay fiaramanidin’i Canada tamin’ny fotoana nisehoan’ny tranga.
Efa misokatra kosa ny fanadihadiana izay hiarahan’ny manam-pahefana an’habakabak’i Canada, France ary Etats-Unis miasa, hamantarana ny tena zava-nisy marina.
