Tsidika

CENI Madagasikara : Tanteraka omaly ny fivoriana nifanakalozana momba ny zotram-pifidianana

Ho fanomanana ny fifidianana filohan’ny Repoblika amin’ity taona 2023 ity, nikarakara fivoriana nifanakalozana momba ny zotra-pifidianana ny CENI omaly 27 Jolay tetsy amin’ny Radisson Blu Ambodivona, izay tohanan’ny tetikasa « Renforcement du processus électoral et démocratique à Madagascar » (RPEDEM). Nandray anjara amin’izany ny filohan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, ny filoha teo aloha, ny filoha lefitry ny Antenimieran-doholona sy solombavambahoaka vitsivitsy, ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta vitsivitsy, ireo Filohan’ireo Andrimpanjakana teo aloha, ny Mpandrindra Maharitry ny rafitry ny Firenena Mikambana sy ny solontenan’ireo vondrona iraisam-pirenena miasa sy monina eto Madagasikara, solontena avy amin’ny fiadidiana ny Repoblika, ireo raiamandreny ara-panahy sy ara-drazana, ireo solontena avy amin’ny firaisamonim-pirenena ary ireo mpikirakira vaovao avy amin’ny haino vaky jery.

« Ny fivoriana izay natao dia nifantoka tamin’ny fifanakalozan-kevitra mifandraika indrindra amin’ny valin’ny fitsirihana farany izay nataon’ireo manam-pahaizana avy eto Madagasikara sy avy any ivelany ary notohizana amin’ny fizaram-baovao mifandraika amin’ny fandrafetana ny rejisi-pifidianana nasionaly. Teo ihany koa ny fizarana ny tetiandron’ny fifidianana filohan’ny Repoblika ary farany ny fizaram-baovao mikasika ny kitapom-bola iombonana. Ny tanjon’ny CENI dia ny hametraka tontolo milamina sy tony dieny izao fotoana mialohan’ny fifidianana izao ary indrindra ny handraisan’ny rehetra anjara amin’ny fifidianana ho avy rehetra » hoy ny CENI Araka ny tetiandro nivoaka amin’ny datin’ny fifidianana dia efa ao anatin’ny fanomanana tanteraka ny CENI ka izay no antony hisian’ny hetsika maro isan-karazany mifandraika aamin’ny fifidianana tahaka izao.

Miranto Andrih

Laisser un commentaire