Ambohimangakely: Tonga i Minami, mpilatsaka an-tsitrapo japoney
Ho fiaraha-miasa sy fanatsarana hatrany ao amin’ny kaominina Ambohimangakely, efa tonga ao an-toerana amin’izao fotoana ny mpilatsaka an-tsitrapo japoney, avy amin’ny JICA (Agence Japonaise de Coopération Internationale), Minami, hitondra fanampiana sy hanoro ny mponina mahakasika fanatsarana ny tontolo ambanibohitra.
« Mpilatsaka an-tsitra-po japoney miara-miasa sy monina eto amin’ny kaominina i Minami. Hiasa mandritra ny iray taona sy telo volana eny amin’ireo faritra sy ny fokontany 18 izy ary eto amin’ny biraon’ny kaominina ihany koa » hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
« Resaka momba ny tontolo ambanivohitra sy ny fanatsarana ny fiainana ary ary fampianarana isan-karazany toa ny fanamboarana fatany mitsitsy, arina mitsitsy no ho ataony eny anivon’ny fokontany mandritra izany » hoy hatrany ny fanazavana.
Efa ela niandrasana izao fanentanana izao ny ankamaroan’ny mponina. Miandry fatratra ny fandalovana sy ny fampiofanana isam-pokontany araka izany ny mponina isan’isany.
Manitra R.
