Belgique : Meloka manoloana ny raharaha fampihorohoroana tao Bruxelles i Salah Abdeslam sy Mohamed Abrini
Meloka manoloana ny raharaha fampihorohoroana tao Bruxelles tamin’ny taona 2016 i Salah Abdeslam sy Mohamed Abrini raha ny valim-pitsarana navoakan’ny fitsaran’i Belgique. Raha tsiahivina dia nisy fanapoahana baomba tao amin’ny seranam-piramanidin’i Bruxelles-Zaventem sy tao amin’ny « métro » tamin’io fotoana io, ary nitarika fahafatesan’olona 32 izany.
Raha ny fanazavana dia mety higadra mandrapafaty ireo lehilahy roa ireo. Araky ny lalàna ao an-toerana mantsy dia mandritra ny dingana faharoa, aorian’ny « phase de réquisitions » sy ny « plaidoiries de la défense » vao tononona ny sazin’ireo olo-meloka. Raha ny fanamafisana dia amin’ny volana septambra no hotontosaina io dingana manaraka io.
Marihana fa olona maro no voarohirohy tao anatin’io raharaha fampihorohoroana io. Olona 9 izay miaraka amin’i Abdeslam sy Abrini no fitambarany, ary misy lehilahy iray hafa fahafolo ihany, saingy voalaza fa namoy ny ainy tao Syrie ny tenany.
