Fampianarana ambony : Manohy ny fitakiany ny SECCES Sampana Antananarivo
Taorian’ny fitakiana maro sy ny fanatanterahana ny « Oniversite maty » dia nanatanteraka fivoriana indray ny Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra (SECCES) ny Alatsinainy 26 lasa teo. Nandritra izany fivoriana izany no nanapahan’izy ireo fa mbola mitohy ny fitakiana satria mbola tsy voavaly ny fangatahana izay natao. Raha ny nambaran’izy ireo hatrany dia mitohy ny « Oniversite maty » hatramin’ny Alatsinainy 31 Jolay.
« Maro ny dingana efa natao tao anatin’izao fitakiana izao. Efa niroso tamin’ny fanomezana 72 ora ny fanjakana izahay nahafahan’izy ireo namaha ny olana sy namaly ny fitakianay izay apetrakay mazava fa zonay. Efa nandalo teo ihany koa ny “Oniversite maty” saingy hatramin’izao dia mbola tsy voavaly ny fitakiana. Aminay dia iniana tsy raraina sy tsy henoina ny fitakiana izay ataonay. Tsy manao ho zava-dehibe ny fampianarana ambony ny fanjakana Malagasy » hoy ny mpampianatra mpikaroka.
« Ny fampianarana ihany no vahaolana ho antsika eto Madagasikara na inona na inona adihevitra. Tsy tokony hatao fitaovana politika sy sorona ny asa fampianarana satria miantoka ny ampitson’ny firenena ny fianaran’ny ankizy anio. Raha misy ihany afaka hamaliana ny fitakian’izy ireo nahoana no avela hitarazoka tahaka izao ? Raha toa kosa ka tsy misy teti-bola vonona hamahana ny olan’izy ireo, manontany izahay vahoaka hoe tena mpitondra tokoa ve ianareo ao ambony ao ? » hoy ny mpanabe iray.
Nisesisesy ny fitakiana eny anivon’ny Anjerimanontolo Ankatso tato anatin’ny herinandro vitsy. Ankoatra ny fitakiana ataon’ireo mpampianatra mpikaroka dia efa nandefa ny fitakiana ny hanohizana ny fampianarana sy ny hamoahana ny vatsim-pianarana ambiny ihany koa ireo fikambanan’ny mpianatra. Henatra eo imason’ny firenena hafa ny fikorotanan’ny fampianarana tahaka izao satria ho an’ny firenena hafa dia ity sehatra ity no anisan’ny lohalaharana imasoan’ny fanjakana ny fampandrosoana azy.
Miranto Andrih
