Ambohimangakely: Hanomboka ny fiaraha-miasa eo amin’ny BTC sy ny LRNC
Ny alarobia 27 jolay teo no nosantarina tamin’ny fomba ofisialy ny fiaraha-miasa eo amin’ny BTC Ambohimangakely sy ny fikambanana LRNC (La Rue Nous Concerne). Nisy ny lanonana nentina nampahafantarana ireo vina’asa teo amin’ny roa tonta nandritra izany.
« Ny fampandrosoana sy ny fampivoarana ny tanàna dia tsy mandeha ila fa ilaina hatrany ny fiaraha-mientana sy ny fiaraha-miasa mba ahatongavana amin’ny tanjona tratrarina. Ny tanjona hiarahana eo amin’ny roa tonta dia ny fampiroboroboana ny sehatry ny fampianarana sy ny fampandrosoana ny faritra » hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny BTC.
« Manana andraikitra amin’ny fampandrosoana sy fampivoarana ny isam-batan’olona. Ny hamporisika ny isam-batan’olona, indrindra ny tanora, hitondra anjara biriky ao anatin’izany ihany koa anisan’ny tanjon’ny LRNC. Misy ny fanentanana isan-karazany afaka handraisana anjara ao anatin’izany » hoy ny avy ao amin’ny LRNC.
Tsiahivina, fa hisy ny hetsika fanadiovana faobe izay karakarain’ny LRNC hatrany amin’ny 03 aogositra izao. Marihina fa anisan’ny miara-miasa amin’izy ireo sy manohana ihany koa ny avy amin’ny kaominina Ambohimangakely.
Manitra R.
