Corée du Nord : Tsy nahaomby ny fandefasana « satellite » nataon’ny firenena
Ny alarobia 31 may teo i Corée du Nord no nanandrana nandefa « satellite de reconnaissance militaire». Tsy nahaomby nefa izay ary rava tany amin’ny ranomasina andrefana ilay « satellite ». Tsy nahatosika ny rihana faharoa noho ny tsy fahatomombanan’ny fiaingana, taorian’ny fisarahany tamin’ny rihana voalohany kosa no anton’io tsy fahombiazana io raha ny fanazavana.
Nanamafy i Corée du Sud fa tao amin’ny Mer Jaune, 200 kilometra ny nosy Eocheong, tany amin’ny morontsiraka andrefan’ny toerana no nojonoina ny potik’io « satellite » io sy ny fandefasana azy. Nanditra ny fandefasana io « satellite » io kosa dia raikitra korontana tao Corée du Sud sy Japon. Nampaneno ny fanairana izy ireo ary narahina hamehana maika izany.
Nilaza kosa i Kim Yo Jong, anabavin’ny mpitondra ao Corée du Nord omaly alakamisy fa tsy maintsy tratran’izy io ny tanjona fandefasana « satellite ». Tsy ho ela dia hiroso amin’ny andrana faharoa i Pyongyang raha ny fanamafisany. Raha tsiahivina kosa dia hanaramaso ny fitomboan’ny fisian’ny tafik’i Etats-Unis ao amin’ny faritr’i Corée du Nord sy ny fiaraha-miasany amin’ny Séoul no tena anton’io « satellite » io.
