ActualitésTsidika

Lavanila maitso : Tsy mari-toerana ny vidin’ny lavanila isaky ny faritra

Efa nisokatra nanomboka ny 25 mey teo ny taom-piotazana sy taom-pivarotana lavanila maitso tao amin’ny faritra Diana, ny 27 mey kosa ny tao Sofia. Nitohy nanaraka izany ny faritra rehetra ka efa misokatra avokoa ny tsenan’ny lavanila maitso manerana ny Nosy amin’izao fotoana izao. Mampalahelo anefa ny mahazo ireo tantsaha satria dia samy manana ny vidiny avy ireo lavanila isam-paritra. Maneho ny alahelony amin’izany tranga-javatra izany ireo mpamboly satria midina hatrany io vidina lavanila io.

« Efa nisy ny fifampiresahana tamin’ny Filoham-pirenena mahakasika ity vidina lavanila ity. Ity sehatra ity moa izay avokavokin’ny fiainanay aty ka io no tena mampidibola ho anay. Amin’izao fotoana izao anefa dia tsy nahitana varany izany fifampiresahana izany fa mbola miaina amin’ny vidiny 10 000 ariary isaky ny kilao izahay. Any amin’ny faritra hafa any anefa to mba misy mividy lafo ihany », hoy i Charlie, mpamboly avy ao amin’ny faritra Sofia.

Marihina fa efa misy ireo orinasa mandray ireo lavanila maitso ireo izay amin’ny vidiny 45 000 ariary hatramin’ny 80 000 ariary ho an’ny faritra sasany.

« Aiza ny fandraisana andraikitra ho anay aty amin’ny faritra sasany. Fa nahoana no misy tsy fitoviana toy izany. Tsy tokony hanaitra ny tompon’andraikitra ve anefa izany? Tokony samy mahazo ny anjarany avokoa ny mpamboly rehetra satria ity sehatra ity amin’izao tena mbola azo hitadiavam-bola tsara », hoy hatrany ny fitarainan’ireo tantsaha.

Sehatra iray tena azo hilomanosana tsara ny fambolena lavanila raha misy ny fandraisana andraikitra amin’ny vidin’izy io. Etsy andaniny anefa dia tokony hampitoviana ny fijery an’ity sehatra ity amin’ny karazam-pambolena hafa izay sompitra ho an’i Madagasikara.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire