ActualitésTatitra

Maurice : Ampidirina amin’ny fanadinana ahazoana ny School Certificate ny fiteny « créole »

Rehefa niadiana hevitra nandritra ny antsasaky ny taonjato iray mahery ny fampidirina ny fiteny « créole » ho taranja iray adinina mandritra ny fanadinana faran’ny kilasy famaranana ao amin’ny nosy Maurice dia tanteraka ihany izany. Manomboka amin’ity taona ity dia hampidirana amin’ny fanadinana ahazoana ny School Certificate izay mitovy amin’ny Baccalauréat aty Madagasikara io taranja Créole io.

Raha tsiahivina dia ireo mpiaro ny fiteny « créole » ao Maurice no nandroso io soso-kevitra io. Isany nampanano sarotra ny fangatahana ny fanarahan’ny nosy ny rafi-pampianatra ao Cambridge izay tsy nampiditra io taranja « créole » io ao anatin’ireo tokony ahazoana ny mari-pahaizana School Certificate.

Amin’ny volana oktobra izao kosa ny fanadinana ahazoana io mari-pahaizana io ao amin’ny nosy Maurice, marihana mantsy fa miditra volana janoary ny mpianatra ao an-toerana. Hatreto kosa dia mijanona ho safidy (optionnelle) io taranja io saingy heverina fa hivoatra tsikelikely ny ahataranja raikitra izany hoy ny tompon’andraikitra.

Laisser un commentaire