Hivaha ihany ve ny olan’ny orinasa SECREN any Antsiranana ?
Nilaza ny hijery ifotony hamaha ny olana misy eo anivon’ny orinasa SECREN Antsiranana ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny fanjifana, Razafindravahy Edgard. Efa nisy ihany koa manko ny fihaonana nataon’ny Minisitry ny jono sy ny toe-karena manga, Paubert Mahatanty sy ny Delegasiona avy amin’ny SECREN.
« Rodana tanteraka ny orinasa SECREN, betsaka ireo very asa sy tsy nandray karama, tokatrano maro ihany koa noho izany no tapaka sotro fihinanana ka tokony hisy ny vahaolana haingana ho azy ireo » hoy i Maurice, mpahay toe-karena. « Isan’ny vahaolana fohy aloha ny ezaka fanefana ny karaman’ny mpiasa tsy voaloa ary etsy an-kilany ny drafitra maharitra hanavotana ny orinasa » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Indostria.
« Rehefa hohatsaraina ihany ny orinasa dia mila ovaina ny rafitra, ny antitra avelao hisotro ronono amin’izay fa sady vesatra ho an’ny orinasa ireny no tsy mahavita firy intsony no sady mila omena laka amin’izay ny tanora izay ao antin’ny fahatanjahana tanteraka hanavotra ny orinasa » hoy i Mirana, mponina any Antsiranana. « Mahatsiaro sahirana mihitsy ny mponina aty Antsiranana, ny miasa ao amin’ny SECREN izao hiaraha-mahalala izao ny olana, ny fizahantany izay fidiram-bola faharoa indray tsy mbola misokatra aza ny sisin-tany ka hanao inona eo » hoy ny solontenam-panjakana any an-toerana.
Antenaina hivaha ny olana eo anivon’ity orinasa ity mba hahafahan’ireo mpiasa mivelona ara-dalàna amin’izay. Mety hamaha ny olana tokoa ve ny fidiran’ny Ministera ao amin’izany ?
Nicole Rafalimananjara
