Lehilahy efa nahazo taona notapahin-doha tany Mahajanga, nalefa any am-ponja vonjimaika ny voam-panga
Nalefa vonjimaika tany amin’ny fonja Marofoto Mahajanga ilay lehilahy 33 taona namono nahafaty ilay rangahy be tsy manan-kialofana 60 taona. Raha tsiahivina ny zava-nisy ny 30 jolay lasa teo, rangahibe 60 taona no nasian’ilay lehilahy tamin’ny antsy ary notapahiny loha raha vao mangirandratsy ny andro tany Mahajanga teo akaikin’ny « Bord ».
« Samy tsy manan-kialofana izy roa nifamono ireto, samy mpirenireny eny amin’ny Bord eny indrindra fa amin’ny alina ary hinoana fa mifankahalala tokoa » hoy i Jules, mponina teny amin’ny amin’ny manodidina ary mahafantatra azy ireo. « Tsy lavitra tety amin’ny « Bord » ihany no nahitanay ny voarohirohy izay voalaza fa tsy salama saina tsara na dia tsy hita loatra eny amin’ny endriny aza izany, tsy mbola fantatra loatra aloha hatreto ny tena anton’izao heloka bevava izao fa hisorohana ny mety mbola ho loza dia anlefa vonjimaika eny am-ponja ilay mpamono olona » hoy ireo mpitandro filaminana any Mahajanga.
« Na salama saina izy na tsia, rehefa namono olona tokony ho mendrika ny sazy fanamelohina ho faty amin’izay ho anatra ho an’ny rehetra, ny fanagadrana mantsy eto amintsika toa lasa tsy manitsy ny olon-dratsy akory satria rehefa mivoaka ao izy dia mamerina ny ataony ihany, noho izay izay nahafaty olona dia tokony ho vonoin’ny lalàna ihany koa » hoy i Fanja, mpianatra lalàna eny anivon’ny anjerimanontolo. Lonilony sa inona no nahatonga ny fahatapahan’ny lohan’ilay lahy antitra tahaka izao ?
Tokony hisy hatrany ny fanaraha-maso ataon’ny mpitandro filaminana ireny olona tsy manan-kialofana ireny satria mbola manana ny zony feno izy na dia nasitaky ny fiarahamonina aza. An’iza ny andriakitra amin’ny fampanajana ny zon’ny tsy manan-kialofana ?
Nicole Rafalimananjara
