Filaminana : Voasambotra ireo Polisy mpaka vola amin’ny mpampiasa lalana
Voasambotra ireo Polisy mpanararaotra fahefana eny amin’ny lalana mihazo an’Ambohimanambola sy Alasora, By pass ary eny Andohatapenaka lalam-baovao. Betsaka mantsy ireo fitarainana voarain’ny avy ao amin’ny Polisim-pirenena momba izany.
« Nandray andraikitra avy hatrany izahay. Sady manimba ny asan’ny Polisy ilay izy no mampijaly ny vahoaka » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny filaminam-bahoaka. « Manery olona hanome vola fotsiny ireo Polisy ireo. Lazainy ho manao fandikan-dalàna izahay. Tsy ny fakam-bola anefa no sazy ho an’ny tsy manara-dalàna » hoy i Jacques, mpampiasa lalana.
Azontsika olom-pirenena iharan’ny fihetsika tsy ara-dalàna toy izany ny mametraka fitarainana eny amin’ny biraon’ny IGPN Anosy. Misy ny fanadihadihana ataon’ny tompon’andraikitra aorian’izay.
