Dépêches

Vatovavy: sambo mitrandraka harena an-kibon’ny tany tsy ara-dalàna nogiazana

15 Aprily, 15h00. Sambo tsy fanta-pototra misy fitaovana fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna na ” drague à godets” no nogiazana tao Vatovavy ny 12 aprily lasa teo. Teratany sinoa 3 lahy sy malagasy miisa 5 no tao anatin’ny sambo. Ny iray tamin’ireo sinoa dia voalaza fa efa voarohirohy tamin’ny raharaha “drague” tsy ara-dalàna tao Anosimparihy. Voamarina koa araka ny loharanom-baovao fa “drague” efa nogiazana tao amin’ny kaominina Marokarima no nampiasain’izy ireo.

Laisser un commentaire