Vidin’entana: Mampimenimenina ny vahoaka ny vidina legioma
Dépêche 19 avril, 12h, Mampimenimenina ny vahoaka manerana ny Nosy ny vidina legioma eny antsena rehetra eny. Tsy mitsaha-miakatra izany vidiny izany indrindra ho an’ireo any amin’ny sisin-tany. Mahagaga anefa fa ny eny anivon’ireo tantsaha mpamboly dia ny eo ihany no eo ka mampitaraina azy ireo izany. Manararaotra ny mpanangom-bokatra ka hany tsy mampivoatra ny ny famokarana izany. Mila fandraisana andraikitra anefa izany hahafahana mahita ny marimaritra iraisina amin’ny vidin’entana. Tokony hikaroham-bahaolana farany izay haingana ihany koa izany zava-misy izany izay arahi-maso manomboka any amin’ny mpanangom-bokatra ka hatrany amin’ny mpaninjara.
