Tontolo iainana: Asa an-terivozona no valin’ny fitsarana ireo namono nahafaty an’i Henri Rakotoarisoa
Dépêche 21 novembre, 16h30, Mpiaro tontolo iainana ao Anjozorobe i Henri Rakotoarisoa izay nisy namono ny 2 jona 2022 teo. Ny asabotsy 19 novambra teo no natao ny fitsarana ka asa an-terivozona mandra-pahafaty no sazy nahazo ireo olona miisa 8 voarohirohy tamin’izany. Nolazaina fa meloka tsy namonjy olona tra-doza kosa ary nosaziana 03 taona an-tranomaizina sazy mihatra ny olona roa. Nafahana nohon’ny fisalasalana ny ambiny sisa izany hoe voampanga ireo 25 isa. Nosaziana miaraka ireo voampanga voasazy ery ambony handoa onitra amin’ny mpitory vola mitentina 40 tapitrisa ariary. Azo lazaina ho nahafa-po ny valin’ny fitsarana hoy ireo firaisamonim-pirenena.
