Tontolo iainana: Mandray anjara amin’ny fiofanana amin’ny Ady amin’ny fanondranana biby antsokosoko I Madagasikara.
Dépêche 31 mai, 14h, Faritra maro aty Afrika no mandray anjara amin’ity fiofanana any Washington DC ity. Tafiditra ao anatin’izany I Madagasikara miaraka amin’ny Burundi, Malawi, Mozambique, Comores, Kenya, Tanzania, Uganda ary USA izay mampiatrano ireo mpandray anjara. Efa nanomboka ny faha 22 May 2023 lasa teo ka haharitra hatramin’ny 02 Jona 2023 ho avy izao ny fiofanana hiarahana amin’ny USFWS (United States Fish and Wildlife Services) sy ny ICCA (International Conservation Chiefs Academy), izay tanterahina ao amin’ny National Conservation Training Center (NCTC), Washington DC, West Virginia. Ny tanjona amin’izany dia hahafahana miaro ny biby amin’ny fanondranana antsokosoko na ny « Defi de leadership adaptatif pour la lutte contre le trafic d’espèces sauvages
