ActualitésTsidika

Manandriana : Ho tanterahina isaky ny sabotsy ny didim-poitra faobe

Hisy ny hetsika fanaovana didim-poitra faobe ao amin’ny kaominina Manandriana. Mandritra ny volana jolay ho avy ity no hanantanterahana izany, ary isaky ny sabotsy, araka ny voalaza.

« Araka ny efa fanao isan-taona dia hanomboka indray ny didim-poitra faobe eto an-toerana. Isaky ny sabotsy no hanatanterahana ny hetsika, izany hoe ny 3, 10, 17 ary ny 24 jona 2023 » hoy ireo tomponandraikitra ao amin’ny kaominina.

« Misy ny fisoratana anarana mialoha mila atao araka izany, izay atao eny amin’ireo biraon’ny fokontany. Izany dia mba hisian’ny fandaminana eo amin’ny fotoana sy ny fanatanterahana azy. Hanentanana ny rehetra liana hioamana sahady » hoy hatrany ny fanazavana.

Hetsika fanampiana sy fanasoavana ny vahoaka ny fanatanterahana ny didim-poitra faobe tahaka izao. Efa maro ireo kaominina ao anatin’ny distrika Avaradrano nahatontosa izany ka anjaran’ny ao amin’ny kaominina Manandriana indray izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire