France : Mitohy ny fanadihadiana manoloana ny raharaha nahafaty an’i Iris.C
Tsy hita nanomboka ny alin’ny zoma teo i Iris.C, 23 taona. Nandeha namonjy lanonana tao amin’ny toeram-pisotrosotroana iray tao afovoan-tanànan’i Lorient, ao Morbihan no nialany tao an-tranony tamin’io fotoana io. Raha ny fanazavana dia nivoaka io toeram-pisotrosotroana io niaraka tamin’ny lehilahy telo izy ny sabotsy maraina manodidina ny 3 ora sy sasany. Tsy nahatsiaro-tena tanteraka i Iris nandritra izany raha filazan’ireo olona nohadihadian’ny manam-pahefana.
Tsy fantatra mazava raha mamo na nandray zava-mahadomelina izy tamin’izany fotoana izany hoy ny manam-pahefana. Ny rahavaviny kosa no nampandre ny manam-pahefana rehefa tsy naharay vaovao momba an’i Iris. Nisokatra ny fanadihadiana ary hita tao anaty ny renirano ny Le Blavet tao Lanester, Morbihan efa tsy niankanjo intsony ny razan’ilay tovovavy. Nahitana marrika fanakendana kosa ny tendany ary mangana ny vatany.
Mbola tsy fantatra mazava izay nahavanon-doza saingy mitohy ny fanadihadiana ary hisy ny fijerena ireo « vidéosurveillance » sy ny fizahana ny razana.
