Alasora : Miteraka disadisa eny amin’ny fiaraha-monina ny fanangonana maloto
Mimenomenona mahakasika ny tsy fanajana ny fiaraha-monina manoloana ny fanangonana maloto ataon’ny tomponandraikitra eny amin’ny fokontany ny mponina ao Alasora. Andro antoandro no nirotsaka nanangona ireo maloto tao amin’ny tokatrano iray ireo mpanangona raha tokony ho amin’ny alina ny fanaovana izany ka niteraka fimenomenomana.
« Andro atoandro be no tonga ireo mpaka maloto na diky ireo hafindra ety amin’ny tanàna misy anay. Tsy nisy fifampiresahana mialoha na fifanantonana fa avy dia tonga izy ireo ka teo vao niteny fa hamindra maloto izahay, izay fihetsika hitanay hoe tsy rariny no tsy misy fifananjana amin’ny maha fiaraha-monina » hoy i Nivo, mponina ao Alasora. Raha ny fitsipika ao amin’ny fokotany, amin’ny alina tokoa ny fotoana tokony hanaovana ny famindrana ny diky hisorohana ny disadisa tahaka izao. « Raha ny tokony ho izy sady fanaovana azy aloha dia amin’ny alina mihitsy saingy tamin’ity indray mitoraka ity, izao vao tratra ireto mpanao azy ireto ka izay no antony tsy maintsy nanaovana azy atoandro satria reo wc koa efa feno » hoy ny tomponandraikitra amin’ny fanadiovana.
Miandry ny fandaminana sy fandraisana andraikitra mahakasika ity disadisam-piaraha-monina ity araka izany ireo mponina, ary mangataka ny fanataneterahana ny famindrana ny maloto ho amin’ny alina ihany hisorohana ny fofona sy ny fanelingelenana haterak’izany.
Manitra Ramanantsoa
