Tsidika

SEMIPI : Handray anjara amin’ny matso mandritra ny fetim-pirenena Frantsay ny 14 Jolay

Ho fanamarihana ny fetim-pirenena Frantsay ny faha-14 ny volana Jolay dia hanatanteraka matso izy ireo ka mitotaly 6500 isa no ho mpanadray anjara amin’izany. Ho an’ity taona ity dia voaasa ka adray anjara amin’io matso fankalazana ao Paris io ny avy amin’ny SEMIPI Fianarantsoa.

Raha ny fantatra dia efa mahazatra ny ao Lafrantsa ny manasa ireo tafika avy amin’ny firenena hafa handray anjara amin’ny matso fankalazana ny fetim-pirenen’izy ireo. Noho izany dia tsy zava-baovao izao ho an’i Madagasikara fa matetika isan-taona dia misy amin’ny Tafika sy Zandarimariam-pirenena Malagasy voaasa manatrika ny 14 jolay io any Paris ary mazana dia mandray anjara amin’ny matso mihitsy izy ireo

« Tsy tokony hiteraka resa-be ny fandraisan’ny SEMIPI anjara amin’ny matso any Paris mandritra ny fetim-pirenena Frantsay satria raha manara-baovao isika dia mahafantatra fa efa fanao isan-taona io ho an’ny avy amin’ny Tafika sy ny zandarimaria. Voninahitra ho antsika aza ny fahafahana mandray anjara amin’ity matso ity satria tsy ny tafika rehetra no voaasa handray anjara any » hoy ny avy amin’ny Tafika Malagasy.

« Ny zavatra toy izao foana no manaitra ilay ambompom-pirenena aty anatin’ny Malagasy satria sarobidy ary isany maha firenena ny firenena iray ny fananany Tafika ka tokony ho sarotiny amin’izany isika rehetra. Tsy fantatro izay tena anton’izao fandraisana anjara amin’ny fetim-pirenena Frantsay izao fa izaho manokana tsy mankasitraka nohon’ny antony maro sy ny zava-nisy teo amin’ny Frantsa sy i Madagasikara » hoy i Rado, mpandalina tantara.

Maro ny zava-misy mampifamaofao ny vahoaka Malagasy ary isan’izany indray ity fankalazana ny 14 Jolay ity. Mizarazara ny fanehoan-kevitry ny olom-pirenena manoloana, ao ny mankasitraka oa koa ireo izay tsy manaiky. Na izany aza anefa dia efa any Paris ireo mpanao matso avy amin’ny SEMIPI ary hanatanteraka matso eo amin’ny Champs Elysées.

Miranto Andrih

Laisser un commentaire