ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Lehilahy iray nitonona ho pasitera saron’ny zandary

Lehilahy iray, 43 taona no nitonona ho pasitera ka saron’ny zandary avy ao amin’ny brigadin’Ambohimangakely, ny talata teo. Resaka fivadiam-pitokisana sy fisolokiana no nisamborana azy, araka ny voalaza.

« Tamin’ny alalan’ny angom-baovao azo avy tamin’ny fahazoana hafatra miafina no nahafantarana ny fisian’ny lehilahy iray mitonona ho pasitera, izay efa malaza ratsy amin’ny fivadiham-pitokisana. Ireo mpivaro-kena kisoa sy omby ary mpivarotra akoho no tena lasibatra amin’ny asa ratsiny ity » hoy ny avy ao amin’ny brigadin’ny zandarimaria ao Ambohimangakely.

« Ny 10 jolay teo no tratran’ny vela-pandrika nataon’ny zandary avy eto an-toerana izy io, teny Andravoahangy ary mbola tratra teny amin’ny akoho fakana nofo efa maty, izay an’olona voafitany ihany koa. Nandritra ny fanadihadiana savaranonando azy no nahafantarana fa efa herintaona sy tapany izay no nanaovany ity asa ratsy ity ary efa maro no olona voafitany » hoy hatrany ny fanazavana.

Tsy teto amin’ny faritra Antananarivo ihany fa hatrany amin’ny faritra no efa nanaovany izany asa fisolokiana izany. Ankoatra izany, efa nisandoka tamin’ny asana pasitera ihany koa ity farany. Ny ratsy tokoa tsy kely lalana ka ilaina hatrany ny mailo ary tsara mampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany rehefa misy ny tranga hafahafa eny amin’ny fiaraha-monina eny mba hamongorona ireo mpanao ratsy tahaka izao.

Manitra R.

Laisser un commentaire