SocialTsidika

Andro avy orana, fanararaotan’ny mpanao ratsy.

Miakatra ny tahan’ny famakiana trano rehefa avy ny orana. Tafiditra anaty fahavaratra tanteraka isika eto Madagasikara ankehitriny. Matetika no avy amin’ny alina ny orana. Fotoana fanaovan’ny mpangalatra ny vaky trano tsy re tsaika tokoa izao. Miampy ny halabotry toy ny akoho amam-borona na ny kojakoja an-tokan-trano. Mora resin-tory ny olona rehefa avy ny orana. Fanampin’izay, malemy ihany koa ny biriky sy ny rindrana rehefa lena ka mora lavahana. Ary farany, tsy ahenoana inona mihitsy ny feon’ny orana avy, indrindra moa rehefa miampy kotroka izany. Manaporofo izany ny tranga fahaverezana moto teny Antanetibe Itaosy tamin’ny alina. Nohararaotin’ny mpanao ratsy ny andro nanorana nangalarana ilay moto Yamaha Cygnus 4. Tsy io irery anefa ny fananana very rehefa avy orana. Araka izany, tokony ho mailo hatrany ny olondrehetra.

Dinah Razanajatovo

Laisser un commentaire