Tsy fandriam-pahalemana : Biraon’ny CEG nisy namaky.
Mafy tokoa ve ny fiainana ka zara aza vaza-mihetsika ? Efa tsy mifidy ho robaina intsony ny olona. Hatramin’ny efitrano fianarana aza misy mamaky. Angalarina avokoa izay rehetra azo avadika ho vola. Tsy mitombina intsony ankehitriny ny tranga mitovy amin’ny hoe tain’omby mivadika ka tsy misy sahy maka. Potika ny fiarahamonina. Ny halatra no vahaolana hitan’ireo olona sasany hamelomana ny fianakaviany. Nitrangana fahavakisana birao tao amin’ny CEG Ambatofotsy Ikongo tamin’ny herinandro. Nakorontana ny efitrano, naparitaka ireo taratasy rehetra. Heverina fa nikaroka zavatra ho alaina arak’izany ireo olon-dratsy. Voalaza ihany koa fa nisy vola hanaovana fangatahana CEPE sy BEPC nijanona tao anaty birao. Nisy nahatsikaritra arak’izany ny fisian’io vola io ka namaky ny biraon-tsekoly. Eo am-panaovana ny fanadihadiana ny mpitandro ny filaminana any an-toerana. Hirariana ho tratra ireo fahavalom-pirenena ireo. Andrasana ny tohin’ny raharaha.
Dinah Razanajatovo
