Ambohimangakely : Tontosa soa aman-tsara ny hetsika famaranana ny SSMAF
Nifarana omaly ny hetsika SSMAF izay nokarakarain’ny BTC tetsy Ambohimangakely. Afa-po avokoa na ny mpandray anjara na ny mpikarakara nandritra izany hetsika famaranana izany, izay narahina fanolorana loka ho an’ireo mpandray anjara tamin’ireo hetsika isan-karazany.
« Isaorana feno ireo mpandray anjara sy ireo nanampy tamin’ny fanohanana ny hetsika izay tontosa soa aman-tsara nandritra ny telo volana izao. Ireny no tontosa dia noho ezaka nataon’ny tsirairay avy » hoy i Tata, tompon’andraikitra ao amin’ny BTC.
« Hirariana ny hitohizan’ny hetsika sy ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tahaka izao satria ahazoana traik’efa amin’ireo namana mpandray anjara hafa. Manome vahana ihany koa ny kanto sy ny fahaiza-manao ary ny talenta ny hetsika tahaka izao » hoy ny mpandray anjara.
Aorinan’izao hetsika famaranana izao moa dia ny fanomezana fiofanana maimaim-poana amin’ireo sehatra misy ao amin’ny BTC indray no karakarain’ireo tomponandraikitra, manaraka mandritra ity volana oktobra ity.
Manitra Ramanantsoa
