ActualitésTatitra

Mampitombo 25% ny risika ahazoana homamiadana ny fihinana sakafo alina loatra

Mila elanelanina ny ora maromaro ny fotoam-pisakafoana amin’ny hariva sy fotoana andehanana atory raha ny tatitrin’ny International Journal of Cancer. Araka ny fikarohana nataon’ireto farany mantsy dia mampitombo 25% ny risika ahazoana homamiadana ny fihinana sakafo alina loatra.

Nanamafy ireo manam-pahaizana ao amin’ny « Institut de Santé Mondiale » ao Barcelone fa tokony hiasa milamina ny « métabolisme » amin’ny alina nefa ny fihinana sakafo tara dia mety hanafaingana ny fiasany indray. Manoloana izany dia tsaratsara kokoa raha aorian’ny 2 ora na mihoatra avy nisakafoana hariva vao matory.

Laisser un commentaire