ActualitésTsidika

Nahavita zavatra maro ny mpanao gazety Nestor Rasolofonjatovo

Aretina izay nahazo azy no nitarika tamin’izao fahafatesana tampoka izao. Tale jeneralin’ny haino vaky jery Feo Mazava Antsinanana na ny FMA ny tenany fony fahavelony. anisan’ireo ray aman-drenin’ny mpanao gazety ihany koa izy. Namelabelatra ny tontolon’ny fifandraisana sy ny demokrasia izany onjam-peo izay notantaniny izany. Andraikitra nosahaniny tao amin’ny onjm-peo ny famolavolana ny fandaharana « Koragno Manginina, volagno moramora ».

Ny taona 2001 izy no nanomboka nanorina ny onjam-peo Feo Mazava Antsinanana izay tsy miankina amin’ny fanjakana. Efa nanana andraikitra tao amin’ny haino aman-jerin-mpanjakana TVM ihany koa izy mialohan’ny nanaganany ny onjam-peo izay azy manokana. Tontolon’ny baolina kitra no hahafantatran’ny maro azy ankaotra ny asa fanaovan-gazety.

« Tampoka ho anay izao fandaozana izao, saingy mitraka hatrany, tohizana tsara ny asa, tanterahina sy ampiharina mandrakariva ireny fanabeazany sy ireo hanatra nomeny anay » hoy i Faneva, mpiara-miasa aminy. « Anisan’ireo ray aman-dreny nanabe anay raha i Nestor manokana, misaona tanteraka ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety amin’izao fotoana, misaona toy izany ihany koa ny faritra Atsinanana » hoy i Rakotonirina Herilala Nantenaina, ben’ny tanan’ny Toamasina.

Mijanona ho fampianarana ho an’ireo tanora rehetra, indrindra ireo mianatra sy miasa mahakasika ny serasera sy ny fanaovan-gazety ireo fampianarana rehetra nomeny. Anisan’ireo nampanjaka ny firenena demokrasia ny onjam-peo izay notantaniny. Ilàna fisoronana ny fampanjakana ny mangaraharaha eo amin’ny firenena iray, ahafahana miroso amin’ny fampandrosoana ny fahasahiana maneho hevitra. Anisan’ny fitaovana lehibe no sady mahomby hanatanterahana izany ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety. Ny fampandrosoana no tanjona, takiana noho izany ny hisian’ny mangaraharaha sy ny fitantanana mazava.

Haingotiana Andriamihaja

Laisser un commentaire