Ambohimangakely : Tsara atao ohatra ilay lehilahy nanadio ny manodidina azy
Nampihetsi-po ny maro tao Ambohimangakely ny fanadiovana ny lalana sy ny lakan-drano manodidina ny tsenany nataon’ilay lehilahy iray mpivarotra. Mendrika ho alain-tahaka ny nataon’ity lehilahy ity satria raha samy manadio ny manodidina azy tokoa ny rehetra dia hadio ihany ny tanàna satria tanàna madio sy maha te honina no filamatry ny kaominina.
Isika eny ifotony no tena mahita ny tontolo iainantsika ka tompon’andraikitra ny amin’ny fahadiovany, mila raisin any andraikitra manomboka izao » hoy i Gerard, mpisehatra manokana mikasika ny fidiovana sy ny fahadiovana. « Raha samy manadio ny manandrify azy ny olona tsirairay indrindra ny manamorona ny lalana dia tsy hitsanga-menatra isika fa tanàna madio sy miavaka tokoa satria manana mponina madio sy tia fahadioavana » hoy Radafindranaro Thierry, ben’ny tanànan’Ambohimangakely, .
« Ny soa fianatra ary ny tsara tahaka izoa mihitsy no tokony hifaninana fa tsy amin’ny ratsy akory » hoy i Claudine, mponina ao Ambohimangakely. Ny fanadiovantsika ny manodidina antsika dia efa antoka iray hisitrahantsika tontolo iainana madio sy milamina. Rehefa madio ny tanàna dia tonga hoazy ny fandrosoana satria i Madagasikara mandroso no tanjona iombonana.
Nicole Rafalimananjara
