SocialTsidika

Ho resy sa handresy ny Barea?

Kivy tamin’ny valin’ny lalao nifandrinan’i Madagasikara sy Ethiopie ny mpanaraka ny lalao teto Madagasikara. Resy tamin’isa mavesatra 4-0 ny ekipam-pirenena Malagasy, Barea, tany Etiopia. Miandrandra mafy isika ny handresen’i Côte d’Ivoire ry zareo Etiopiana amin’ny lalao farany, ary hahazoantsika vokatra amin’ny lalao ifanaovan’ny Barea amin’ny ekipam-pirenenan’i Niger. Nambaran’ny mpanazatra ny ekipam-pirenena Nicolas Dupuis nandritra ny valandresaka taorian’ny lalao fa nisy ny fitongilanana nataon’ny mpitsara izay tokony nahazahoan’ny mpiandry tsato-kazon’ny Ethiopianina karatra mena. Ity farany izay nisambotra baolina ivelan’ny faritra voafaritra ho azy ka tokony hahazo karatra mena kanefa karatra mavo no nomena azy. Na izany aza anefa nisy ihany ny lesoka noho ny tsy fahampian’ny andro niomanana satria tsy nanana afatsy roa andro ny Barea raha nanana herinandro maromaro kosa ny mpilalao avy ao Ethopie. Nanamarika ihany koa i Nicolas Dupuis fa tsy mitady fialan-tsiny ny tenany satria nahery noho ny ekipa Malagasy ny ekipan’i Etiopia tamin’iny lalao iny, koa mendrika ny fandresena. Manana andro maromaro indray ny Barea hanomanana ny lalao hihaonana amin’ny Niger izay mbola fanantenana ho antsika hiakarana amin’ny CAN. Betsaka ny fanamarihana azon’ireo mpilalao tsirairay avy amin’ny Malagasy izay hinoana fa horaisin’izy ireo an-tsakany sy an-davany mba hibatana ny fandresena. Manohana ahatrany ny ekipa ny Malagasy na resy na maharesy ny Barea. Hanao ahoana ny mety ho tohiny ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire