ActualitésTsidika

Mahazo vahana eto Madagasikara ny variant Covid-19 avy ao Afrique du Sud

Nanomboka ny volana oktobra 2020 lasa teo no nahitana voalohany ity trangam-piovana vaovao ity ny tao amin’ny firenena Afrique du Sud. Ny fanadihadihana nataon’ny manam-pahaizana no nanambara fa anisan’ny tranga vaovao mifindra haingana ity tranga avy ao Afrika atsimo ity. Tsy io ihany anefa no trangam-pisehoana vaovao ho an’ity aretina ity fa maro izany manerana izao tontolo izao. Avy amin’ny firenena sasantsasany no ahitana izany tranga vaovao izany. Na izany aza anefa, ny filankevitra siantifika no nilaza fa mbola ambany kokoa ny herin’ny tahan’ity tranga ity raha mihaotra ny tranga samihafa toy ny avy any Britanika. Firenena 58 manerantany anefa no ahitana azy ity ankehitriny. Anisan’izany ny eto Madagasikara, izay nahitana io tranga io tamin’ity volana martsa ity. Ankoatran’ny maha haingana be ny fifindrany, anisan’ny lasibatra amin’ity tranga ity ihany koa ny tanora sy ankizy ankehitriny. Nahazatra antsika hatramin’izay mantsy ny hoe ny olona efa nahazo taona sy ny manana aretina mitaiza no tena tratran’ny valan’aretina. Saingy mitombo izany ankehitriny, nohon’ny fahatongavan’io trangam-pisehoana vaovao io. Misy amin’ny vaksiny vokarina manerantany no tsy mifanaraka amin’io tranga io. Porofon’izany ny fahafatesana tanora iray tao amin’ny faritanin’ny Mahajanga tamin’ny fiatomboan’ny fiakaran’ny olona mitondra ny tsimokaretina. Ankehitriny aza moa, mihazakazaka indray ny tarehimarika ary misesisesy ny fahafatesana. Ny 26 ka hatramin’ny 28 martsa lasa teo izao, tranga vaovao 739 no hita tao anatin’ny telo andro monja. Raha toa ka 16 ireo lavo nandritran’io hateloana io. Izany no manaporofo fa mifindra haingana ity aretina ity nohon’ny aretina teo aloha. Tokony hanatona haingana ny tobimp-pahasalamana na CSB ireo olona tsy salama.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire