PolitiqueTsidika

Inona marina moa ny revolisiona sosialista napetrak’i Didier Ratsiraka teto Madagasikara ?

I Karl Marx no namorona ny foto-kevitra sosialisma tany Europe. Mirona kokoa amin’ny fampitoviana lenta ny fiaraha-monina ity fironan-kevitra iray ity ary mifanohitra indrindra amin’ny “capitalisme” izay fanomezana lanja kokoa ny efa mpanam-bola. Nalain’ny fanjakana ny fananana ary nampitoviana avokoa ny saranga teo amin’ny fiaraha-monina.  Nanjaka teto Madagasikara ihany koa ny tsy fitoviana ara-tsosialy ka izany indrindra no nirotsahan’i Didier Ratsiraka an-tsehatra. Nampidiriny teto Madagasikara ny revolisiona socialista nanomboka ny taona 1975 ary namoaka ny “boky mena” izy tamin’izay izay mirakitra ny sosialista Malagasy. Anisan’ny tanjona tamin’izany ny hanagasiana ny fampianarana satria nanjaka tamin’ny sehatry ny fanabeazana tokoa ny teny Frantsay. Eo ihany koa ny fampitovian-tsaranga ny Malagasy ary nohezahany notarihana tamin’ny fahamarinana ny fiaraha-monina mba tsy hifanararaotra amin’izy samy izy. Azo lazaina fa tsy nahahomby anefa io politika nentin-Dratsiraka io teto amin’ny Nosintsika satria vao maika nitarika ny vahoaka Malagasy ho amin’ny fahantrana lalina, teo ihany koa ny toe-tsaina Malagasy te hanana mihoatra ny hafa foana. Ilaina ary ve ny hamerenana io politika io indray amin’izao ? Nahomby tany amin’ny firenena hafa mantsy izy ity ary mbola misy hatramin’izao indrindra fa any Corée du Nord, Chine ary Cuba. Tafiditra anaty fahantrana lalina tokoa mantsy ny firenena ankehitriny indrindra noho ny fisian’izao valan’aretina izao. Raha haverina ny sosialisma eto Madagasikara, hanao ahoana ny hoavin’ny firenena ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire