Tetikasa Metiss : Hanamora ny fifandraisana.
Miroborobo ankehitriny ny tontolon’ny teknolojia manerantany. Samy miezaka hahafapo ny mpanjifany amin’ny alalan’ireo tolotra maro amin’ny fifandraisana ny tambazotra misy eto Madagasikara. Efa misy ankehitriny ny tolotra maro isan-karazany hanampiana ny mpanjifa eo amin’ny fanatanterahana ny safidiny. Ny manapahaizana ihany koa etsy ankilany miezaka mitady zava-baovao hatrany mba hampandrosoana ny teknolojia hatolony ny mpanjifa. Maro ankehitriny ny lafin’asa efa tsy afa-miala amin’izy io. Tafiditra ao anatin’izany ny fianarana sy ny maro samihafa. Hatramin’ny tontolon’ny fitsaboana aza ankehitriny hita fa miroborobo vokatry ny teknolojia. Anisan’izany ity an’ny orinasa Telma ity. Niezaka namorona tambajotra vaovao any ambany ranomasina izy ireo. “Cable metis” no hiantsoan’izy ireo ity zava-baovao ity. Tanjon’ity orinasa ity ny hampitombo ny tanjaky ny tambajotrany ary hamaly ny filan’ny mpanjifa Malagasy. Izy ireto izay tsy mitsahatra mampitombo ny fampiasam-bolany amin’ny alalan’ny fanatsarana ny fifandraisana. Hanamora ny fifandraisan-davitra eo amin’ireo Nosy ato amin’ny ranomasimbe Indianina araka izany ny fisian’ity fitaovan-tambazotra vaovao ity. Anisan’ny singa manafaingana ny tontolon’ny fifandraisana mantsy ny fisian’ny zava-baovao tahaka izao.
Fanilo Rarivoarilala
