Tsy mbola voaporofo fa mahaaro amin’ny covid-19 ny vaksiny.
Maro ireo firenena nanao vaksiny sy mbola te hanao vaksiny ny mponina ao aminy. Nandrisika ny fanaovama izany mihitsy ny avy ao amin’ny “Organisation Mondiale de la Santé” na OMS. Nisy anefa ny fanambaran’izy ireo fa mbola tsy misy ny porofo hatreto hoe maharo amin’ny Covid-19 tokoa izany. Tsy mahafoana ny virus velively ny vaksiny hoy izy ireo ary maro ireo natao vaksiny nefa mbola voan’ny Covid-19 taty aoriana. Tsy terena noho izany ny fanaovana vaksiny fa manana ny safidiny ny firenena tsirairay. Ho an’i Madagasikara manokana, efa mazava ny voalazan’i Andry Rajoelina ny Sabotsy 20 Martsa teo fa tsy manohitra ny vaksiny i Madagasikara. Mbola ao anatin’ny fotoana fandinihana miaraka amin’ireo manampahaizana siantifika malagasy momba ireo vaksiny miparitaka any ivelany ireo isika amin’izao fotoana. Ny OMS aza tsy manana porofo ny fahombiazan’ny vaksiny, koa nahoana no hisisika hanao izany isika ?
Nicole Rafalimananjara
