Hanendry ireo mpilalao ao amin’ny ekipam-pirenena ny mpanazatra vaovao
Vao tsy ela akory izay no nanendrena an’i Eric Rabesandratana ho mpanazatra ny ekipam-pirenena Barea. Nisy olana nandritra izany fanendrena izany satria tsy vitsy ireo tsy nanaiky ny ialan’i Nicolas Dupuis. Manao ahoana anefa izao ny fomba fiasa’ity mpanazatra vaovao ity amin’izao ? Androany 2 Jona no hamoaka ny lisitry ny mpilalao voaantso hivondrona ao amin’ny ekipam-pirenena amin’ity volana Jona ity ny mpanazatra vaovao Eric Rabesandratana. Misy resaka hafahafa anefa navoakan’ny kapiteny Abel Anicet satria saika hanao « live » izy hiresahany mahakasika ny fifandraisany amin’i Eric Rabesandratana, mpanazatra vaovaon’ny Barea, izay nosokajiany ho somary mafimafy. Saingy tsy nataony indray izany ka hoy izy hoe : « « Rehefa nandinika aho dia aleoko tsy miteny.Tadidio fotsiny fa antsika rehetra ny Barea. Izay mangina volamena ». Inona no mety dikan’izany ? Mitondra ny voninahim-pirenena iray manontolo ny Barea ary hiady izany amin’ny taranja baolina kitra no tena tanjona. Aoka ny firenena ny firenena no jerena fa tsy ny tombontsoa manokana eo am-panatanterahana izany.
Nicole Rafalimananjara
