Ankadindramamy: Olona fito voasambotry ny polisy noho ny fanafihana tokatrano
Fito mianadahy no tra-tehaky ny polisy tetsy Ambohidahy Ankadindramamy taorian’ny fanafihana mitam-basy nataon’izy ireo tamin’ny toka-trano iray, telo andro talohan’ny nahatratraran’azy ireo izao. Miandahy miam-bavy ireto jiolahy tratra ireto ary samy manana ny anjarany amin’ny fanatanterahana ny asa ratsiny avy.
“Nisy tamin’izy ireo no nanao ny asa fanangonam-baovao mahakasika ilay trano ho tafihina, ny hafa nampindrana basy hoentina manafika ilay tokantrano, tao no nandray anjara mivantana nanao ny fanafihana ary ny sasany nandray sy nanafina ilay entana halatra tany amin’ny toerana nisy azy” hoy ireo mpitandro filaminana.
“Mila enjanina ny sazy eto Madagasikara mba tsy hiverenan’ny tranga tahaka izao. Anisan’ny mahatonga ny trangana tsy fandriam-pahalemana miverina matetika ny tsy fahampian’ny sazy atao amin’izy ireo ka mampirongatra izany” hoy I Georges, mponina ao Ankadindramamy.
Manjaka ny tsy fahandriampahalemana amin’izao fotoana izao. Ilaina hatrany ny mifanentana amin’ireo mpitandro filaminana mba enti-miady amin’izany ary tsy tokony hiraviravy tanana ny tsirairay raha mahita tranga asa ratsy enti-mampanjaka ny filamanana.
Manitra Ramanantsoa
