ActualitésTatitra

La Réunion : 15 Euros ny kilaon’ny litchis ao amin’ny tsenan’i Chaudron

Misokatra ny vanim-potoan’ny litchis ao La Réunion. Efa hita eny an-tsena nanomboka ny 16 novambra teo ny andiany voalohan’io voankazo io ary efa mahatratra hatramin’ny 15 Euros ny kilao aminy ao amin’ny tsenan’i Chaudron ao Saint-Denis.

Mbola ambony izany vidin’ny letchis izany, hoy ny tompon’andraikitra. Heverina fa hihena izany amin’ny fotoana tena mahabetsaka azy manomboka ny fiandohan’ny volana desambra izoa hoy izy ireo. Efa manambara ny fahatongavan’ny noely sy ny faran’ny taona ihany koa ny fahatongavan’ny letchis raha ny fanamafisan’izy ireo.

Laisser un commentaire