ActualitésTsidika

Alasora : Maro ny mpifankatia miara-mandraharaha

Isan’ny fanomanana ny hoavy mamiratra ny tontolon’ny fandraharahana, ary azo hivelomana tsara mihitsy ahazahoana vola. Ny mahatsara azy dia isika ihany no mampiasa ny tenantsika, fa vao maiaka tsara ihany koa raha ny olon-droa no miara-miasa ka manatanteraka tetik’asa iray.

Azo atao tsara ny miara-mandraharaha amin’ny vady na olon-tiana, sady tsara kokoa aza ny roa noho ny iray.

« Tsara mihitsy izay mpifankatia miara-manorina ny hoavy amin’ny resaka fandraharahana izany, izaho sy ny vadiko izao dia olona mifanohitra sy mifameno satria izy manana hevitra foana sy tia mamorona, ary izaho eo amin’ny resaka fitantanana, hany ka mahatsangana ekipa iray izahay ary natombokay nandritra ny iray volana aloha ny andrana raha tena mahay miara-miasa tokoa izahay, ankehitriny dia manana tsenanay manokana izahay ary mahavelona tsara ny ankohonana izany » hoy Sylvie, mpivarotra monina ao Alasora. « Tsy voatery afaka handraharaha foana rehefa mpifankatia fa kosa mila manana tanjona iraisana ny roa tonta ka mianatra miara-miasa » hoy i Françis, mpampianatra eny amin’ny anjerimanontolo.

Azo atao tsara tokoa ny manamafy ny fitiavana ao anatin’ny tontolon’ny fandraharahana, kanefa mitaky ezaka ihany izany. Mila fantarina aloha ny zavatra andrasan’ny lahy sy ny vavy : inona no ilain’ny iray, ary inona ny kosa ny an’ny ankilany ? Aorian’izay vao miezaka manao ny hita fa mety sy eken’ny roa tonta, toy ny hoe marimaritr’iraisana saingy nandresy lahatra ny rehetra.

Atomboka aminareo roa aloha ny fifandraisana ary aparitaho amin’ny hafa avy eo mba ahitana zava-baovao hatrany ahatongavana any amin’ny tanjona. Ny fifandraisana mantsy no isan’ny fanalahidin’ny fandraharahana, ka kendrena ho olona samihafa no hifandraisana, mba ahitana maro. Na izany aza, mila mifankafantatra ny mpikankatia : izay mety ho tanjaka na lemin’ny tsirairay ary indrindra ny fahaiza-manao sy ny traikefa hananan’ny andaniny sy ny ankilany.

Aoka hametraka hatrany ny fifankatiavana alohan’ny zava-drehetra satria eo ilay tenin’ny Ntaolo hoe « Ny vola tsy maha-mpihavana ». Tsy tokony ho resin’ny vola ny fitiavana satria ny fifankatiavana no talohan’ilay fandraharahana ary tao anaty fitiavana no nananganana ilay tetik’asa. Mila mahay mifampiresaka tsara indrindra rehefa misedra olana ilay tetik’asa. Azo antoka ny hoavy indrindra ny fifankatiavana sy ny ara-bola raha miara-mandraharaha ao anatin’ny tanjona iray ny mpifankatia.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire