Ambohimanambola: Nasiam-panarenana ny biraon’ny zandarimaria
Niova endrika ny biraon’ny zandarimaria ao amin’ny kaominina Ambohimanambola. Nisy ny fanarenana ny foto-drafitr’asa, fandokoana ny trano sy fanoloana ny takelaka famantarana izany.
« Tsy voatery hiandry famatsiam-bola vao mahavita zavatra. Nanao ny ainy tsy ho zavatra ireo zandary mpiara-miasa teto an-toerana tamin’ny fanarenana ity toeram-piasana ity. Tsy tontosa ihany koa anefa izany raha tsy teo ny fanampiana avy amin’ireo mahalala tanana » hoy ny avy amin’ny zandarimaria.
« Hita tokoa ny fiovana na teo amin’ny birao fandraisana na teo amin’ny lafin’ny fandriam-pahalemana teto an-toerana. Nafana ny resaka tsy fandriam-pahalemana teto Ambohimanambola volana maro lasa izay fa ankehitriny efa tony ary azo lazaina fa milamina amin’izao fotoana » hoy i Lalao, mponina ao Ambohimanambola.
Nalaza ratsy tamin’ny vaky trano sy ny vono olona Ambohimanambola, tamin’ny taon-dasa. Nisy moa ny fanoloana ny kaomandin’ny poste tao an-toerana.
