Russie : Tsy latsaky ny 5 ny maty nandritra ny fitsidihana fandehan-drano maloto tao Moscou
Misarika mpitsidka maro ny fandehan-drano maloto goavana (égouts) ao Moscou. Ny faran’ny herinandro teo dia olona maromaro no nanao « visite guidée » tao anatin’izany saingy tatran’ny voina. Manoloana izany olona manodidina ny 5 no namoy ny ainy ary maro ireo mbola tsy hita.
Raha ny fanazavana dia niakatra haingana ny rano tao anatin’io fandehan-drano maloto io manoloana ny oram-be nilatsaka tampoka. Tsy tafavoaka noho izany ireo mpitsidika ka lasan’ny rano. Nisy tamin’izy ireo nentin’ny rano hatreo amin’ny reniranon’i Moskova raha ny fanamafisan’ny masoivohom-baovao ofisialy TASS.
Mitohy kosa ny fikarohana ao an-toerana ary efa manao fanadihadiana momba ny fitsipi-piarovan’io sehatra nikarakara ny fitsidihana io ireo manam-pahefana.
