Etats-Unis : Nahazo fankasitrahana maromaro ny horonantsary Nomadland
Tontosaina isan-taona ao Etats-Unis ny fanomezana fankasitrahana ireo mpandrindra horonantsary tsara indrindra mandritran’ny taona. Anisan’ny nahazo fankasitrahana nandritra izany ity horonantsary iray mitondra ny lohateny ho Nomadland ity. Tantara mikasika ny fifindra-monina manerana an’i Etats-Unis ity horonantsary ity. Ireo olona efa nahazo taona no tena nankafy izany, noho ny karazan-tseho maro hita ao anatin’ity horonantsary ity. Voasokajy ho mpanatontosa mahay nandritra io horonantsary io ny vehivavy tera-tany avy any Asie iray, antsoina hoe Chloé Zhao. Voasokajy ho mpilalao sarimihetsika nisongadina sy nahay indrindra ihany koa i Frances Mc Dormand. Nanasarotra ny famoahana horonantsary tany an-toerana ny fisian’ny vaalna’aretina manerantany saingy tsy nahasakana ny fivoahan’ity horonantsary ity anefa izany. Namokatra ity horonantsary ity i Peter Spears, ary nosafidiany manokana ireo mpilalao sy mpanatontosa ireo nohon’ny fahafehezana izany. Nalaina tamin’ny boky iray tamin’ny taona 2017 moa ity horonantsary ity, ary tsy misy resaka politika ao anatin’izany. Manome lanja manokana kosa ireo mpifimdra monina matetika ity horonantsary ity, raha ny voalazan’ny mpanatontosa, Chloé Zhao.
