France : Polisivavy maty tao Rambouillet, olona 5 voarohirohy
Roa andro aty aorian’ny nahafaty ny polisy vavy iray 49 taona, Stéphanie M., tao amin’ny Kaomisarian’i Rambouillet, ao Yvelines, manomboka fantatra ilay nahavanon-doza fa olona avy any Tunisie, 36 taona, Jamel Gorchene. Akoatr’izay, olona dimy no voarohirohy ihany koa ka notanana ny Alahady 25 aprily lasa teo. Ny fitsarana manohitra ny asan’ny mpampihorohoro mantsy nilaza fa nisy nanohana ara-kevitra sy ara-pitaovana ny nahavanon-doza. Tsy fantatry ny sampam-pitsikilovana ity mpampihorohoro ity noho izy isan’ireo mpitoka-monina izay tsy manana fifandraisana amin’ny olon-kafa mety hahatonga azy ho mora tohina. Tonga tany Yvelines ny Sabotsy lasa teo i Emmanuel Macron mba hitsidika ny fianakavian’i Stéphanie M. izay manan-janaka roa, 13 sy 18 taona, ary nanohana azy ireo ara-bola.
