BTC Ambohimangakely : Iray andro hahaizana karazana pizza
Miha mipoitra isan’andro ireo fampiofanana maro samihafa omen’ny BTC Ambohimangakely ho an’ireo tanora liana sy te hanana asa ho an’ny tenany manokana. Efa manomboka indray izao ny fisoratana anarana ho an’ny fianarana karazana Pizza ao anatin’ny iray andro monja. « Misoratra anarana ao amin’ny pejy facebook-n’ny BTC na manantona ety an-toerana mihitsy fa iray andro monja no afaka hanova ny fiainantsika, iray andro dia hahay pizza karazany maro isika » hoy i Lalaina, tompon’andraikitra eo amin’ny BTC Ambohimangakely.
« Ny fiainana efa sarotra ka aiza indray no hahita fiofanana iray andro dia efa hahay pizza, ny olona izao aman-taonany sy amam-bolana » hoy i Vololona, isan’ireo liana amin’ny fiofanana. « Ampianarina ao anatin’izany ny fanaovana pâte, ny fomba fikarakarana ireo akora samihafa, ny fahandroana azy, ary indrindra ilay tsiambaratelo mampatsiro azy ka faranana amin’ny fiarahankomana izany » hoy i Chef Ndrasana, efa fanta-daza amin’ny fanamboarana Pizza.
Tombony lehibe tokoa izany kanefa mirary tokoa ny vola aloa raha oharina amin’ny zavatra hay mandritra io iray andro io. Tokony hahay hanararaotra itony fampiofanana itony ny tanora indrindra ireo manodidina an’Ambohimangakely.
Nicole Rafalimananjara
