SocialTsidika

Ankadikely Ilafy : Tontosa soa aman-tsara ny fisoratam-panambadiana faobe

Tontosa soa aman-tsara ny fisoratam-panambadiana faobe tao amin’ny Kaominina Ankadikely Ilafy, izay efa fanao isan-taona, tokantrano miisa 7 no voatsangana ara-panjakana tao anatin’ny iray andro. Dingana lehibe amin’ny tokantrano iray ny toy izao satria miorina ara-dalana izy ary miala amin’ny tokantrano maso.

« Arahabaina izy ireo noho izao dingana lehibe vitan’izy ireo izao ary mirary soa sahady ho azy ireo amin’ny dingana manaraka. Enga anie ka hampandroso hatrany sy tsy hitondra henatra ny kaominina izy ireo noho ny fahavitany ny fanambadiana ara-dalàna » hoy ny Ben’ny tanàna ao Ankadikely Ilafy, Rajaonah Rija. « Sarotra ny mikarakara mariazy amin’izao fotoana izao ka isaorana indrindra ny kaominina amin’ny fikarakarana ka tena hiara-hientana amin’ny fahombiazana tokoa anie isika » hoy i Lanto, isan’ireo vao nanorina tokantrano.

« Ny fisoratam-panambadiana tahaka izao dia ahafahan’ny tokantrano iray misitraka ireo zony feno eo amin’ny firenena fa tsy ho azy mivady ihany fa indrindra ho an’ireo taranany rehetra » hoy i Fanja, mpahay lalàna.  Nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny Kaominina Ankadikely Ilafy sy ny FJKM Masinandriana tamin’izao hetsika izao izay hirariana hitohy hatrany izany. Mbola betsaka tokoa mantsy ireo miaina ao anaty tokntrano maso amin’izao satria tsy sahy miroso na dia efa an-taonany maro aza no niarahana. Fotoana izao handravana izany ary hanorenana ny tokantrano ho ara-dalàna ho tombotsoan’ny ankohonana sy ny tanàna, ary indrindra ny firenena.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire