ActualitésTsidika

Andekaleka : Lamasinina niaran-doza, tsy nisy aina nafoy

Niharan-doza ny fiaran-dalamby Diatsara izay mampitohy an’i Moramanga sy Ambila. Tsy nisy ny aina nafoy nandritra ity loza ity fa teo kosa ireo naratra izay efa nahazo fitsaboana sahaza azy. « Tapaka hisatra ilay lamasinina ny 12 dasambra teo ka nivarina tany anaty hantsana ny wagon nitondra entana » hoy i Bernard, mponina nanodidina ny toerana nitrangan’ny loza, Sahantsiva PK 198+200, 5km niala an’Andekaleka.

« Vao haingana mihitsy koa ity lamasinina ity no nanao loza, ka izao miverina izao indray kanefa tsy tokony hisy loza mihitsy ny lamasinina tahaka itony fa noho tsy fisian’ny fikojakojana no mahatonga izany » hoy i Helène, renim-pianakaviana monina ao Moramanga. « Fitaterana izay nanana ny tantarany teto Madagasikara ity Diasoa sy Diatsara ity, hany tokana navelan’ny fitondrana Ratsiraka taorian’ny Detrice, hany ka azo lazaina ho vako-pirenena ka tokony hokojakojaina tsara » hoy i Edmond, mpahay tantara. Tsy misy tokoa ny fikojakojana itony fitaterana itony kanefa tena nanana ny lazany sy miavaka tokoa ary mitahiry tantara maro eto amin’ny firenena sy ny tolona nataon’ireo tia tanindrazana.

Nahoana tokoa no tsy misy fikarakarana sa variana amin’ny tramway sy ny télépherique ny mpitondra ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire