Tsy faly amin’ny tsena vaovao ireo mpivarotra ao Behoririka
Tsy manaiky ny famindrana azy ireo ho any amin’ny tsena vaovao ireo mpivarotra amoron-dalana eny Behoririka sy Analakely ny 22 jolay lasa teo. Raikitra ny korotana eny an-toerana ary niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana. Vahaolana tokoa ary ve ny nananganana ity tsena ity ? Manampy ny mpivarotra tokoa ve izany ? Mamaha ny olana ankoatran’ny fihenan’ny fitohananan’ny fifamoivoizana ?
Hita tokoa mantsy fa nahitam-piovana ny fifamoivoizana no izao fanapahan-kevitra izao. Nomena ny toky fa hanampy hatrany ny vahoaka madinika kanefa efa sady tsy nahafaly ny mpivarotra ny namindrana azy no vao maika tsy nahafaly azy ireo ihany koa ny tsena nandraisana azy. « Tsy napoizinay mihitsy hoe ho toy izao ny tao anatin’ity tsena namirapiratra eny ivelany ity, hanahirana ihany ny hivarotanay ato ka izay ihany koa no tena anton’izao fitokonana izao » hoy i Hélène, mpivarotra amoron-dalana. « Izahay izao voatery nanakatona ny fivarotana mihitsy androany fa tamin’ny maraina dia nifanenjika mihitsy ny polisy sy ny mpivarotra ary nadio ny tanàn’Analakely » hoy i Antonio, mpivarotra teny amin’ny manodidina.
Naneho ny tsy fahafaliany tamin’ny fanesorana azy ny mpivarotra ka nitokona nampaneno kiririoka sy nitabataba nanoloana ny Lapan’ny tanàna Analakely, saingy naparitaky ny mpitandro filaminana tamin’ny alalan’ny baomba mandatsa-dranomaso izany hetsika izany. Avy eo anefa nifampitaona nanoloana ilay tsena vaovao teny Behoririka ihany. Tezitra mafy ireo mpivarotra ka nitaky ny hanalana ny Ben’ny Tanàna amin’ny toerany satria « tsy mahay mitondra » hoy ny tabataban’izy ireo. « Vahoaka maro no mivelona amin’ny fivarotana amoron-dalana, ny tsena tsy manaraka ny filàny akory, tsy tahaka ny nodradradradradraina tetsy sy teroa » hoy i Tiavina, mpianatra mpandinika manokana ny fiarahamonina eny amin’ny anjerimanontolo.
Nicole Rafalimananjara
