Antanetibe Ankadikely Ilafy : Nasiam-panamboarana ny EPP
Navaozina tanteraka ny efitrano fianarana telo tany amin’ny EPP Antanetibe ao amin’ny Kaominina Ankadikely Ilafy. Hiampy ny fanatsarana ireo fotodrafitrasa hafa toy ny toeram-pivoahana sy ny fidiovana, ny tamboho sy ny endriky ny tokontany amin’ny ankapobeny ny asa ho atao ao amin’ny EPP.
Ny « Rotary Antananarivo Maroloko » no angady nananana sy vy nahitana izao asa fanamboarana izao. » Ny fianarana tokoa no lova tsara indrindra, tsara sy mendrika fanohanana tokoa ny mpianatra kely ety anivon’ny EPP ary vonona hifanohana mandrakariva isika » hoy ny tompon’andraikitra misahana ny fampianarana eto anivon’ny Kaominina izay nisolotena ny Ben’ny tanàna Ankadikely Ilafy, nanatrika ihany koa izao fandraisana ny fotodrafitrasa izao. « Rehefa tsara ny trano fianarana dia mazoto mianatra tsara ny ankizy ka mila fanohanana avy amintsika, mirary so any ankizy hanovo fahalalana ao amin’ity sekoly ity » hoy ny avy ao amin’ny Rotary Antananarivo Maroloko. « Mankasitraka ny fanampiana tahaka izao izahay, satria tena manampy ny mpampianatra sy ny mpianatra tokoa izany rehefa madio sy milamina ny tontolo misy azy » hoy i Lucien, ray aman-drenin’ny mpianatra.
Mifanojo indrindra amin’ny fidiran’ny mpianatra amin’ny taom-pianarana vaovao izao fotoana izao. Manana lanja lehibe eo amin’ny fampandrosoana tokoa ny fanabeazana ka hirariana ny mba hahatontosa tsara ny taom-pianarana 2021-2022.
Nicole Rafalimananjara
